MALAGASY | ENGLISH | FRANÇAIS

Toro-lalana

Mimi Hotel-Restaurant dia hita ao Analamandrorofo distrikan'ny Sambava izay mamakaiky ireo karazam-pivarotana maro samy hafa sy banky.


Ny hotely dia iray kilometatra miala ny Fiantsonan'ny taxi-brousse Antanifotsy, mampitohy an'i Sambava sy Andapa ary Vohemar. Raha telo kilometatra avy eo amin'ny fiantsonan'ny taxi-brousse Ambodisatrana, mampitohy an'i Sambava sy Antalaha.

Ny halaviran'ny làlana mankany amin'ny seranam-piaramanidina dia 5½ kilometatra izany hoe 20 minitra eo ho eo raha mandeha fiarakaretsaka na Bajaj.